Actualités

Aretina tazomoka Mbola mamono Malagasy maro


  • Talata 19 Jolay 2016

Nifamotoana tao Dakar ny solontenan’ireo firenena afrikanina tompon’andraikitra sy manampahaizana momba ny ady amin’ny tazomoka ny herinandro lasa teo.

 

Atrikasam-pifanakalozana  andiany faha-15 fanao isan-taona amin’ny fampiharana modely momba ny fandaharanasa iraisam-pirenena iadiana amin’ny tazomoka. Misongadina hatrany i Senegal izay efa mahafehy tsara ny fitantanana nasionaly amin’ny alalan’ny fitiliana haingana sahanin’ireo tsara sitrapo eny anivon’ny fiarahamonina. Nidina 37% ny trangana malaria teo anelanelan’ny taona 2000 hatramin’ny 2015 manerantany. Nihemotra hatrany amin’ny 60% ny taham-pahafatesana amin’ny ankapobeny. 65% kosa izany ho an’ny ankizy latsaky ny 5 taona. Mbola ambony anefa hatreto ny salan’isana tazomoka ho an’ny faritra Atsimon’i Afrika. Nahatratra 88% ny tranga tamin’ny taona 2015 raha nanodidina ny 90% ireo maty. Anisan’ny voakasik’ity aretina mamono olona ity manokana moa i Madagasikara. Malagasy 300 hatramin’ny 600 tamin’ny tranga 4 hetsy no maty ny taona 2014. Namoy ain’olona 19 tamin’ireo tranga 150.000 nandritra ny 3 volana voalohan’ny taona 2016. Malagasy 46 tamin’ireo 284.000 voan’ny tazomoka no tsy tana kosa ny volana janoary hatramin’ny martsa 2015.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT