Ivontoerana roa eto amintsika ankehitriny dia ny hopitaly HJRA etsy Ampefiloha sy ny hopitalin’i Mahitsy eny Bejofo no afaka handray an-tanana ireo vehivavy voan’ny aretina mamany lava.
Vehivavy manodidina ny 120 no fantatra fa hahazo fitsaboana maimaimpoana mifandraika amin’izany manomboka izao, hifarana ny 11 aogositra ho avy io. Nisongadina io nandritra ny fanokafana tamim-pomba ofisialy ilay hetsika famongorana ny aretina mamany lava tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha omaly, lanonana notarihin’ny vadin’ny filoha Voahangy Rajaonarimampianina. Nambarany fa zava-dehibe loatra ho an’ny fitondram-panjakana ny hetsika tahaka izao hahafahana miaro ny zon’ny vehivavy. Maro amin’izy ireo mantsy no lasa ailiky ny fiarahamonina noho ny fibabeny tsy fidiny io aretina io izay vokatry ny fihetsehan-jaza maharitra loatra raha tsiahivina, ny fiterahana aloha loatra, eo ihany koa ireo karazan’aretina maro samihafa. Ny vadin’ny filoha avokoa moa no handray an-tanana ny lany rehetra amin’izany, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy toy ny UNFPA, ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ary ireo ONG maro isan-karazany. Nisy ihany koa ny fitokanana ilay ivontoerana fandrindrana ny fomba fiterahana maoderina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.