Actualités

Aretina “homophilie” Tsy manafatra fanafody intsony ny fanjakana


  • Alakamisy 19 Aprily 2012

Aretin’ny lehilahy samirery ny “homophilie” na koa tsy fivainganan’ny ra izay miseho amin’ny alalan’ny fijininihany foana rehefa misy maratra sy ny fivontosana amin’ny faritry ny vatana voadona.

 Mila fanaraha-maso akaiky noho izany ny marary, indrindra fa ny zazakely izay tsy mahatandrina ny fihetsiny. Mety mahafaty mantsy ny fahaverezan-dra be loatra raha tsy voavonjy amin’ny fanafody antsoina hoe “facteur” izay misokajy A na B araka ny singa tsy ampy anatin’ny ran’ny marary. Araka ny voalazan’ny profesora Rakoto Alson Aimée dia antony iray mahafaty ny zazalahy kely avy atao didipoitra ny tsy fahafantaran’ny ray aman-dreny fa manana io aretina io ny zanany satria tsy mety mijanona mihitsy ny ra. Raha ny tarehimarika dia lehilahy Malagasy 1 amin’ny 10.000 no “hémophile”, izany hoe mitondra ny aretina raha 80 kosa no fantatra sy manaraka fitsaboana amin’izao fotoana.

Teo aloha dia manafatra ity “facteur” ity 10 isan-taona ny Ministeran’ny fahasalamana ampiasaina rehefa tena misy tranga vonjy aina saingy roa taona izao dia tsy nisy intsony izany fanafarana izany. Lafo dia lafo anefa ny vidiny satria 1100 ka hatramin’ny 1300 euros (telo tapitrisa Ariary mahery) ny iray. Ny ray aman-dreny sy ny fikambanana miahy ny “hémophile” sisa no miantsoroka samirery io fandaniana io. Misy ihany ny vahaolana faharoa dia ny fampiasana ny “plasma” saingy mila rà betsaka anefa vao mahavonjy marary. Vinan’ny fikambanana amin’ity taona ity, araka izany, ny fananganana ivontoeram-pitsaboana ireo marary.
Y

ves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT