Mety hiteraka tsy fandrenesana intsony mihitsy ny aretin-tsofina raha tsy voatsabo.
Betsaka anefa ireo olona lasibatr’izany eto amintsika izay voatery mitondra fitaovana mandavan-taona mihitsy ny sasany. Lafo ny vidin’ny fitaovana sady tsy misy eto an-toerana ihany koa. Mba ho fanampiana ireo olona manana olana amin’ny resaka fandrenesana ary dia hisy ny hetsika karakarain’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ny SALFA etsy Ambohibao. Tany amin’ny CSB II ao anatin’ny kaominina Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo no nisantarana izany afaka omaly raha kaominina enina amina distrika telo kosa no hahazo tombontsoa. Olona marobe no tonga nanoina ny antso. Ho an’ireo mponina eny ambanivohitra dia olan’ny rehetra ilay aretina tsitongandronono mahazo ny menaky ny ain’izy ireo. Efa noraisina an-tanana avokoa moa ny fahasalaman’izy ireo, tamin’ny ankapobeny, hetsika izay nitohy omaly tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohijanaka, hiampita eny Ambohimangakely, hatreny Sabotsy Namehana. Tsy ho diso anjara amin’izany koa ny ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra. Tsiahivina fa lasa vesatry ny fiarahamonina ny ankamaroan’ireo olona tsy afaka mandre intsony eto amintsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.