Actualités

Araka ny fantatra dia tonga tany ny jeneraly Razafindrazaka Maherison, komandin’ny Rezimanta voalohany Antananarivo tamin’io andro io, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany maraina, niaraka tamina miaramila maromaro mitondra fitaovam-piadiana. Araka ny lohar


  • Zoma 15 Jolay 2011

Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina tanteraka isika izao.

 Na ny maraina na ny hariva dia lasa mampiasa jiro noho ny tsy fahampian’ny hazavana. Hagagana anefa ny an’ireo mpianatra teny amin’ny oniversiten’Antananarivo omaly maraina fa tsy afaka nampiasa jiro izy ireo. Nanomboka ny maraina, raha ny fitarainana dia maty ny jiro teny Ankatso teny. Betsaka ny feo nandeha noho izay fahatapahan-jiro tsy mahazatra izay. Tapaky ny delestazy, hoy ny sasany, tapaka noho ny olana teknika, hoy indray ny hafa, notapahan’ny Jirama fa tsy nahaloa vola, hoy kosa ny sasany.

Raha ny fantatra tokoa mantsy dia manodidina ny 2,5 miliara ariary ny trosan’ny Jirama amin’ny oniversiten’Antananarivo. Trosa efa an-taonany maro tsy voaloa hatramin’izao io raha ny vaovao. Efa nisy ny fifampiresahana sy ny fandaminana ary dia efa nisy tetiandro nivoaka ny amin’ny hanefan’ny oniversite io trosa be miavosa io saingy tsy voahaja io ka dia izao niroso tamin’ny fanapahana ny jiro eny Ankatso izao ny Jirama omaly. Tsy ny eny Ankatso manontolo anefa no notapahana fa ny an’ny trano misy ny fandraharahana ihany, na ny “bâtiment administratif”. Tsy voakitika, araka izany, na ny trano fianarana na ny eny amin’ny Cité mba tsy hanelingelenana ny fampianarana. Araka ny fantatra dia ireo orinasam-panjakana tsy nahaloa ny volan’ny Jirama no tiliana amin’izao fotoana izao. Rariny loatra satria heverina fa tsy tokony hisy mizana tsindrin’ila. Raha ny an’ireo mpanjifa tsotra manko, raha vao andro vitsy monja aorian’ny tokony handoavana ny faktiora ny fahadisoam-potoana ho amin’izany dia tapaka avy hatrany ny herinaratra sy ny rano.

 

Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT