Andro maromaro izay dia tsikaritra ho nisy lehilahy iray tombanana ho afrikanina izay goavam-be mampidera hozatra eny an-dalana saika mitety toerana maro eto Antananarivo.
Goliatabe, hoy ireo mahita azy. Mampiranty ireo hozany ity lehilahy ity dia mitangorona ny olona. Mampita hafatra amin’ny teny Frantsay izy avy eo hoe "Miasà ry zandry fa aza mangalatra, miasà fa aza mangarom-paosy! Aza maka izay tsy anao!” Maro ireo velom-panontaniana hoe maninona aty ary itony karazan’olona itony. Hatreto aloha tsy mbola nisy nahatsikaritra azy ho nanao adalana fa dia ny mampirisika ny olona, indrindra, ireo tanora hiasa ihany izany aloha no ataony. Analakely, Behoririka, Isotry hatrany Ambohimanarina any no voalaza fa tongan’ity lehilahy goavambe ity ary tena manitikitika ny saina ny iraka sy ny tena anton-diany marina eto. Raha nanontaniana moa izy dia nilaza fa ny asa sy ny fifehezan-tena ary ny fanarahana fitsipika ihany no ahitana fahombiazana eo amin’ny fiainana.
Tsara ho fantatra ihany fa voararan’ny lalàna ny tsy miakanjo ambony mandeha eny an-dalambe eto Madagasikara.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.