Tsy ho azon’ny fiarakodia ivezivezena intsony ny Araben’ny fahaleovantena ny 15 hatramin’ny 30 Jona 2016 noho ireo hetsika aman-danonana samihafa hankalazana ny Fetin’ny Fahaleovantena.
Ny «Carnaval de Madagascar» (ny 17 hatramin’ny 19 jona) karakarain’ny ORTANA no hanombohana ny fankalazana manetriketrika ny Asaramanitra eo amin’ny Araben’ny Fahaleovantena, ho an’ny eto an-drenivohitra. Hiova ho toerana hiriariavan’ny mpandeha an-tongotra ny Araben’ny Fahaleovantena hatramin’ny faran’ny volana Jona. Fialamboly marolafy sy maro loko no ho hita eny an-toerana dia ny hiragasy, ny « Fête de la Musique » izay efa nankalazaina isaky ny 21 jona nanomboka ny taona 1987, ny tangoron-javamaneno ary fanatanjahantena. Hisy koa ny fampirantiana ireo fiarakodia tranainy, vokatry ny asa tanana malagasy amin’ny tranoheva samihafa. Hisy « Podium” roa ho an’ny mpanakanto vao misandratra sy ireo efa matihanina. Hisy koa ny Diaben’ny arendrina hiarahan’ny Boriborintany enina eto an-drenivohitra.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.