Actualités

Araben’ny fahaleovantena Analakely Sady maloto no maimbo no mikorontana


  • Alarobia 01 Aogositra 2012

Lavitra an’izany fandaminana an-tanŕn-dehibe izany ny renivohitr’i Madagasikara ao Analakely Araben’ny Fahaleovantena ao ankehitriny.

 Tsy vitan’ny mikorontana fa maloto sy maimbon’ny fofona diky sy pipy ataon’ny olona eny rehetra eny. Mitombo ny 4-Mi eny amin’ity toerana ity izay manao ny saim-pantany amin’ny tsy fanarahan-dalàna. Eny afovoan’ny araben’ny fahaleovantena sy ny Esplanade no kianjan’izy ireo. Ny ankizy madinika no tena maro an’isa ary tsy menatra manarakaraka olona sy misintona ny entan’izay tsy mitandrina. Misy aza tonga dia mandrombaka ny hanina eny an-tananao na koa mitsabaka ny vary ao an-dovia ho an’izay mihinana eny amin’ny sisin’arabe rehetra eny. Iza marina no tompon’andraikitra miahy azy ireny ?

Ny ministeran’ny mponina ve sa ny kaominina Antananarivo Renivohitra sa izy roa mitambatra ? Toa ahazoana vola fanampiana avy any ivelany ihany anefa anatin’izao krizy izao na mihidy aza ny “robinet” avy any amin’ny mpamatsy vola  ankehitriny. Mitombo koa ny varotra hani-masaka amoron’arabe na anatiny na ivelan’ny fiara. Tafakatra ao amin’ity toerana ity koa ny kafe sy paty miaraka amin’ny fatapera ka mampitombo ny loto noho ny poti-bary masaka sy poti-kanina avy nihinana rehetra. Mitombo isan’andro koa ireo mpanao afera mijorojoro tsy tapaka eny amin’ity araben’ny fahaleovantena ity miaraka amin’ireo fiara amidy marobe.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT