Apostoly Marc Tatandraza

> Voasazy higadra telo volana an-tranomaizina sazy mihatra


  • Sabotsy 07 Septambra 2013


Nampiantso ny mpampahalala vaovao teny amin'ny trano fiasany teny Ampandrana omaly maraina ny Apostoly Marc Tatandraza, ilay dahalo niova fo, nanambarany ampahibemaso fa noho ny sitrapon'Andriamanitra dia nekeny ny didim-pitsarana izay nivoaka ny alakamisy lasa teo manasazy azy telo volana an-tranomaizina sazy mihatra miampy sazy mihantona enim-bolana, noho ny fitorian'ireo olom-bitsy izay tsy mankasitraka sy te hanala azy ankolaka ao antin'ny fiangonana FPPM (Fiangonam-Pifohazam-Panahy Malagasy), niampanga azy ho nanozona izay nolaviny fa nefa tsy nisy akory. Ny alakamisy 05 septambra no nivoaka ny didim-pitsarana. Tsy tonga niatrika ny famoahana ny didy i Marc Tatandraza, saingy nivonona ny hitolo-batana any am-ponja hanefa ny saziny. Tsy nanaiky ny didim-pitsarana nivoaka anefa ny fiangonana FPPM foibe fa nampakatra ny fitsarana ho amin'ny ambaratonga ambony rehefa nandinika ny fandehan'ny raharaha. Nampirisika sy nampahery ny Malagasy indrindra fa ny mpitondra ny Apostoly Marc Tatandraza mba hibebaka sy hivavaka hanavotana ity firenena tafalatsaka anaty kizo noho ny kirizy ity. Notsindriany ihany koa fa dia gadraina koa izany izao ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra eto amintsika.

 

Nofy R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT