Nirefodrefotra sy nanakoako nanerana ny tànana ny basy tao amin’ny
Oniversiten’Antsiranana ny alin’ny alatsinainy hifoha talata. Tsy faly amin’ny fahatapahan-drano izay iraisana amin’ny rehetra ny mpianatra, ary nanampy trotraka izany fahatapahan-jiro nanomboka tany ho any amin’ny 11ora alina. Raikitra noho izany ny sakorokara tao anatin’ny toeram-ponenan’ireo mpianatra Campus Lazaret satria nodoran’ireo mpianatra ny antontan-kevitra sy antontan-taratasy tao amin’ny Birao momba ny raharaha sosialy eo anivon’ny Oniversite, izay ravarava sy voaroba, ka solosaina miisa 3 indray no voalaza fa tsy hita. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana tetsy an-kilany, ka nifamaliana ny tora-bato sy ny poa-basy. Hatramin’ny 12ora alina mbola nanakoako ny firefotry ny basy. Tafiakatra 10 ny mpianatra voasambotra, raha ny vaovao azo omaly. Somary nilamindamina ny toe-draharaha tao amin’ny Campus Lazaret omaly talata, nandeha ny fampianarana. Mamahatra sy mivezivezy manodidina, ary mipetrapetraka ao amin’ny faritra ny toeram-ponenan’ny mpianatra kosa ny mpitandro filaminana. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny 07 janoary lasa teo no efa nisy ny hetsika sy famotehan-javatra sy halatra tahaka izao tao amin’ny Oniversiten’Antsiranana noho ny olona mitovitovy amin’izao ihany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.