Andiana tanora 10 ka hatramin’ny 20 taona no fantatra fa mivondrona ao anatin’ny fikambanan-jiolahy antsoina hoe Foroche any Antsiranana.
Mitety fokontany mihitsy izy ireo manakorontana tokantranon’ olona iray izay lazain’izy ireo misy olana amin’ireo namany foroche. Matetika dia zavatra tsy misy dikany akory no entin’ireo andiana tanora lahy tsy ampy taona no betsaka hanakorontanana ny fokontany ao Antsiranana raha ny tatitra azo avy any an-toerana. Mifoka rongony avokoa ny ankaramaroan’izy ireo raha nambaran’ny mpitandro ny filaminana ao Diego. Ny faran’ny herinandro teo dia nisy ny fahafihana nataon’ireo foroche iay nahitana andiana zazalahy tsy ampy taona mitondra antsy manaranitra sy vato manafika . raikitra ny fifampitorahana raha ny fanazavana azo. Niditra an-tsehatra ny zandary nandrava sy nisamboatra azy ireo saingy niparitaka eny amin’ny anelakelan-trano ireo andiana tanora foroche izay nanafika fokontany io. Raha ny fantatra mantsy dia ireo zaza izay tsy tazain’ny ray aman-dreniny fa ny renibe sy ny raibe no mitaiza azy ireo no tsy voafehy ary manitatra sy mamory namana manao ny asana foroche ireo. Efa misy ny paikady nataon’ny zandarimariam-pirenena ao Antsirananana manoloana ny firongatry ny asa ratsin’ireo andiana tanora tsy ampy taona mifanafika ireo.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.