Actualités

Antsiranana «Lance roquette» nafenina tany amin’ny «plafond»


  • Zoma 09 Septambra 2011

Tsy takona afenina intsony ankehitriny ny hivoahan’ireo basy miparitaka eto amintsika ireny.

 Fitaovam-piadiana azo heverina ho tena fampiasa amin’ny ady goavana no hita nafenin’ny miaramila roa lahy izay miasa eo anivon’ny toby ao Antsiranana ihany. «Lance roquette» sy kalachnikov no nafenina niaraka tamin’ny balan’ireo tsairairay avy. Ny sasany tao amin’ny toby ihany, tao an-tranon’ny miaramila iray no naiditra tany amin’ny valindrihana (plafond) tsy hita maso tany. Ny faharoa kosa dia tany anaty tonelina raha araka ny vaovao nampitain’ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

Zandary avy eto Antananarivo no naheno ny zava-misy ka voatery nidina tany an-toerana ary nanokatra fanadihadiana avy hatrany. Efa ela no nandeha io fanadihadiana io satria efa nandalo hatrany Mahajanga tany aza ireo zandary nitady ireo miaramila. Tamin’izany dia efa nisy iray tratra ka naiditra am-ponja vonjimaika. Volana vitsivitsy taty aoriana dia mbola nitohy ihany ny fanadihadiana ka tonga tamin’ny fisamborana miaramila iray am-perinasa. Saika hatao inona ireo fitaovam-piadiana manan-danja ireo ? Mipetraka ny fanontaniana…

 

Samy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT