Ny 14 jolay teo no nahazo vaovao ny DST fa misy Frantsay mampiditra basy ao Antsiranana. Nidina tany an-toerana izy ireo nanamarina ny zava-nisy ary koa nanokatra ny fanadihadiana.
Nitombina tokoa ny ahiahin’ireo mpitandro ny filaminana. Sarona i Jean Gilbert izay miasa amin’ny ONG iray any an-toerana. Ny anaran’io ONG io no hampiasaina mba hampidirana ireo basy izay lazaina fa fanafody. Basy “fusil à lunette calibre 22”, ary bala an’arivony no indray sarona. Tsy izay ihany fa mbola nisy bala an’ny poleta izay miisa 22 boaty ihany koa sarona tao. Manginy fotsiny ny fanamiana fitondra mianady, ny fanasiana basy, ny rojovy na menottes, sy ny sisa maro. Ny mahagaga dia fanamiana frantsay ireo hita ireo. Raha ny fanamarihan’ny DST dia polisy frantsay saingy efa misotro ronono io voasambotra io. Ny ONG no ampiasainy amin’ny tanjo-dratsiny izay tsy mbola fantatra mazava hatreto. Raha tsiahivina dia vao nisy vahiny sarona ihany koa tany Antsiranana vao tsy ela akory izay rehefa nitondra basy marobe. Niala maina anefa ireo mpitandro ny filaminana tany an-toerana rehefa nahafantatra fa misy alalana ireo fitaovam-piadiana ireo. Efa nogadraina ao amin’ny fonjan’Antsiranana i Jean Gilbert.
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.