Actualités

Antsirabe Seho evanjelika goavana nahalasa saina


  • Talata 30 Aogositra 2011

Nahalasa saina ny maro ny hetsika ara-pilazantsara narahina seho notontosaina tao Antsirabe ny zoma 26 aogositra 2011 teo fa dia goavana ary nandaniam-bola be tokoa tamin’ny alalan’ny dokambarotra sy ny petadrindrina.

Hatramin’ireo mpikarakara lanonana tao Antsirabe aza dia niaiky fa izay artista malaza sy be mpankafy aza tsy hahavita seho toy izany raha ny tentim-bidin’ny fandaniana no resahina. Ankoatra izay dia maimaimpoana ilay seho teo anoloan’ny gara. Teo amin’ireo petadrindrina aloha dia fantatra fa manodidina ny 4.600Ar eo ho eo ny vidin’ny iray ka ny notombohana tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra dia voalaza fa 1000 isa kanefa ny mipetaka teny rehetra teny dia saika tsy nisy ny fitomboky ny Kaominina akory.

Ankoatra izany dia misy ireo tanora manao fanentanana mandeha fiara sy mandehandeha karamaina 6.000 Ar isan’andro nandritra ny andro maromaro ka saika hita isaka ireo toerana be mpandalo izay mahatratra an-jatony teo ho eo. Ary ny nanaitra dia ny faradoboka nataon’ireto mpikarakara nanao diabe sy karnavaly eran’ny tanàna ka na dia tamin’ny fifidianana filoham-pirenena aza tsy mbola nisy toy izany tao Antsirabe. Ary nandritra ny seho dia fanamafisam-peo raitra avy aty Antananarivo niampy jiro sy hazavana goavana no nampiasaina io zoma hariva io. Be no velom-panontaniana hoe : mba vola avy aiza àry no nanatanterahana izao ?

 

Caïus R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT