Actualités

Antsirabe Renivohitra Tsy ara-dalŕna ny akamaroan’ny mpivarotra


  • Zoma 15 Jona 2012

Tsy ara-dalŕna ny akamaroan’ny mpivarotra ao Antsirabe amin’izao fotoana raha ny fanamarihana nataon’ny tompon’andraikitry ny hetra ao an-toerana.

 Raha ny fisafoana natao tamina Fokontany iray ny talata 12 jona lasa teo dia hita fa 32 tamin’ireo 37 nosavaina no tsy nanara-dalàna. Nohamafisin-Rtoa Nahary Rakotoson, lehiben’ny Ivon-ketra A, Antsirabe fa 2000 fotsiny no misoratra any amin’izy ireo kanefa ny mpivarotra ao Antsirabe dia efa an’aliny. Natao ity fisafoana ity mba hanazavana amin’ireo mpivarotra mba hiditra amin’ny sehatra matihanina kokoa satria ny hetra izay alaina amin’izy ireo dia miditra any amin’ny kitapom-bolan’ny Kaominina sy ny faritra ary hanaovana asa fampandrosoana ho azy ireo ihany avy eo. Misy ny ezaka ataon’ny Kaominina Ambonivohitra amin’izao fotoana mba hampiakarana ny tahan’ny fandoavan-ketra ka mandritra ny roa volana no anaovana izany hetsika izany dia ny volana jona sy ny jolay ho avy io. Fantatra ihany koa fa nahatratra 200 tapitrisa Ariary teo ho eo ny hetra niditra tamin’ny alalan’ny zava-pisotro misy alikaola. Nizara telo mazava izany ka ny 60% ho an’ny Kaominina, ny 36% mankany amin’ny Faritra ary ny 1% hampiasaina ho fanentanana ireo tsy mbola tafiditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Fantatra ihany koa fa miditra 100% ho an’ny Kaominina ny hetra amin’ny fahazoan-dalana hivarotra zava-pisotro misy alikaola, ny hetran-tany ary ny hetran-trano.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT