Actualités

Antsirabe Renivohitra Rakotry ny valala indray


  • Alatsinainy 27 Mey 2013

Raha ny reny no nankalaza ny fetiny ny andron’ny alahady 26 mey dia ny ankizy madinika indray no nifalihavanja tamin’ny andiam-balala omaly tontolo andro. Rakotry ny andiam-balala indray mantsy ny tanànan’Antsirabe nanomboka tamin’ny 11 ora antoandro ary tsy niala mihitsy raha tsy tamin’ny tamin’ny 05 ora hariva.

 Nisy moa ny fampisehoana maro samihafa tao Antsirabe, toy ny nataon’ny tarika Ny Ainga tao Tsarasaotra sy ny hiragasy goavana nataon’ny sekoly katolika Antsahasoa saingy rehefa mandalo ny valala dia tsy misy mifantoka tamin’ny seho ny mpijery sy ny kilonga fa lasa misambotra izany avokoa. Faly ireo ankizy izay tsy mahalala akory ny zava-doza aorian’ny fandalovan’ny valala toy itony fa ny hisambotra aloha no mahamay azy ireo izay sambany ho an’ny sasany ny mahita izany.

Raha ny fandaharam-potoana re moa dia ny alarobia 29 mey izao vao hikasa hidina any amin’ny ilany andrefan’ny faritra ny avy ao amin’ny DRDR hampiasa ilay vola enina hetsy sy efatra tapitrisa Ariary voangona tamin’ilay tolotanana nataon’ny Faritra Varitra entina hamonoana ireto andiam-balala ireto ka asa raha ho hita taratra ny ezaka vita amin’io vola kely io.


Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT