Actualités

Antsirabe Ny jiro tsy nandeha, ny rano tapaka


  • Alatsinainy 22 Jolay 2013

Niteraka resabe sy savorovoro mihitsy ny fahatapahan-jiro tao Antsirabe ny faran’ny herinandro lasa teo satria dia fahavoazana ho an’ireo mpandraharaha maro izany raha tsy hilaza fotsiny ho an’ireo mpivarotra hazan-dranomasina izay mampiasa fitaovana fampangatsiahana ka nahasimba ireo entana izany.

Eo koa ireo mpanao volo izay fotoana tena mampandeha ny tsenany ny faran’ny herinandro noho ireo lanonana maro samihafa. Raha tsahivina dia ny zoma hariva tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any no tapaka ny jiro ary tsy niverina raha tsy efa tany amin’ny 9 ora alina, ary ny sabotsy vao maraina indray dia tapaka ny jiro ka efa tamin’ny 6 ora hariva vao niverina. Raha ny fanazavana nomen’Atoa Ramelson Jaonera Andrianaivo, Tale iraisam-paritry ny Jirama Antsirabe dia tampoka tokoa ny fahavoazana satria nisy ny andrin-jiro goavambe mitondra tanjaka 63.000 Volts avy any Andekaleka mamatsy an’Antsirabe no tapaka tamin’iny zotra manaraka ny lalam-pirenena faha-7 iny saingy tsy hita izany raha tsy efa naraina ny andro ka izay no nahatara ny fanamboarana.

Ankoatra izay dia teo am-panamboarana indrindra ny milina fiandry ihany koa ny tao an-toerana tamin’ny fotoana nitrangan’ny fahatapahana ka tsy azo nampiasaina izany rehefa nitranga ny fahavoazana. Nisy fiantraikany tamin’ny famatsian-drano ny tanànan’Antsirabe moa izany satria mbola herinaratra ihany koa no mampiakatra ny ranon’Andraikiba mamatsy an’Antsirabe ka nisy ireo faritra sasany no tsy nisy rano koa io sabotsy maraina io. Amin’izao fotoana moa dia efa niverina amin’ny laoniny ny famatsiana jiro sy rano ho an’Antsirabe satria efa niverina nanomboka ny sabotsy hariva ihany izany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT