Nitokona ny kaoperativa mpitatitra sasany ao an-drenivohitry ny Faritra Vakinankaratra ny marainan’ny talata 09 jolay.
Nitandahatra eran’ny tanànan’Antsirabe izy ireo, avy eo dia nitoby teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna. Kaoperativa niisa 6 ireto nitokona ireto. Raha ny Fanazavan’i Dadafara, filohan’ny kaoperativa Kofiavak dia ho fanoherana ny fanokafana ny zotra vaovao mitondra ny laharana faha-17 no anton’ny hetsika. Nambarany fa manitsaka zotra maromaro ity zotra vao ho sokafana ity ary mihoatra ny faritra tokony hiasana amin’ny maha taksibe azy. Efa nisy ny taratasy nataon’izy ireo ho fanohanana ny mety hamoahan’ny Kaominina ity fahazoan-dalana ity ny volana febroary 2013 raha vao nanao fanadihadiana nikasa hanokatra zotra ny kaoperativa Komefia, saingy nivoaka ihany ny fahazoan-dalana.
Nandefa taratasy fanairana tany amin’ny lehiben’ny Distrika indray izy ireo taorian’izay saingy tsy nisy valiny. Mbola nanamafy izany Atoa Razafindrabe Gabhy, filohan’ny kaoperativa Kofiami fa efa be loatra ny zotra ka tokony hifandinika amin’ny kaoperativa ny Kaominina mialoha ny hanomezany fahazoan-dalana vaovao. Mandrahona hanamafy ny hetsika ireto kaoperativa mitokona ireto raha toa ka tsy miverina amin’ny fanapahan-keviny ny Kaominina. Raha ny fanazavana nomen’ny Talen’ny ATT Antsirabe, Atoa Ramaniraka dia tsy tao aminy no nivoahan’ny fahazoan-dalana nahafahan’ity zotra vaovao ity hisokatra fa nisy ny naoty avy amin’ny ATT foibe aty Antananarivo nanome “Avis favorable” ny kaoperativa Komefia hitrandraka izany zotra vaovao izay. Nolazainy fa «tsy fahefan’ny any Antananarivo izany». Tsy andraikitry ny ATT koa ny fandrarana ny fisokafan’ny zotra fa ny manara-maso sao misy taksibe mihoatra ny faritry ny tanàn-dehibe no ataony.
Tsy mahazaka fifaninanana
Tsy niandry ela moa ny valin-kafatra avy tamin’ny tompon’andraikitry ny fiadidiana ny tanànan’Antsirabe fa omaly maraina ihany dia nitafa tamin’ny mpanao gazety ny PDS Razafindrainony. Nambarany fa tsy mahazaka fifaninanana ny kaoperativa sasany satria ho azy dia malalaka ny asa fitaterana ao an-tanànan’Antsirabe ary tsy misy mihitsy lalàna mandrara ny isan’ny mpitatitra na kaoperativa afaka miasa. Ny vahoaka no tsinjovina, hoy izy, ka nohamafisiny fa tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny Kaominina. Ny tolakandro moa dia niverina niasa indray ireo mpitatitra noho ny fanelanelanana nataon’ny OMC, mba tsy hiteraka zavatra hafa saingy nohamafisin’izy ireo fa anjaran’ny kaominina sy ny kaoperativa no mifandamina fa tsy misy hidiran’ny OMC izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.