Actualités

Antsirabe Nisy namaky ny Mosquée, tsy hita ny «Coran» very ny «tapis»


  • Alatsinainy 08 Aprily 2013

Efa tsy mifidy intsony ny asan-jiolahy ao Antsirabe, renivohitry ny Faritra Vakinankaratra, satria dia hatramin’ny trano fivavahana avy no iharan’ny asa ratsin’izy ireo.

 Toeram-pivavahan’ny silamo tao amin’ny Fokontany Antsenakely indray no lasibatra ny alin’ny sabotsy 06 aprily 2013 lasa teo ka very tamin’izany ny karipetra na “Tapis” iray voalaza fa lafo vidy tao amin’ilay Mosquée. Raha ny fanazavana nomen’ny lehiben’ny Fokontany, Ramavoharizaka Soleyman, dia tokony ho tamin’ny 5 ora maraina ny tenany no nahazo antso nilaza io fahavakisan’ny Mosquée io. Ny fanazavana ihany no nahafantarana fa tao ihany ny mpiambina saingy tany ambony rihana ka tsy naheno ireo jiolahy ary voalaza fa nandray vahiny maromaro koa ilay toeram-pivavahana tamin’io fotoana io, izay nivantana tao ambany rihana. Fantatra moa fa saika handraisana ny fitsenana ny Mpanjaka Maraokanina ity “Tapis” ity, izay voalaza fa mitentim-bidy hatramin’ny iray tapitrisa Ariary ny metatra amin’io karazany very io. Ankoatra izay dia very tamin’io fotoana io ihany koa ny Boky masina “Coran” fampiasan’ny mozilimanina ary nisy kapa maromaro ihany koa no lasan’ireo olon-dratsy. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ankehitriny ary efa misokatra ny fanadihadiana manodidina izany.


Fa ankoatra io fahavakisana toeram-pivavahana io dia nisy tranga tahaka izany koa tamina hotely iray Antsirabe ao an-tampon-tanàna.
Teratany Alemana iray manambady Malagasy indray no lasibatra. Ny alin’ny talata 03 aprily lasa teo mantsy, tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany alina no taitra tampoka ilay ramatoa Malagasy raha nahita olona nihaodihaody teo an-davarangan’ny tranony. Namoha ny vadiny izy, ka tsy nisalasala ity vahiny raim-pianakaviana fa namoha avy hatrany ny varavarana. Tovolahy iray no hitany niezaka nandositra, saingy tsy lasa lavitra dia azon’ilay vahiny, noho ny lalana nizorany mbola mandalo tohatra maromaro. Tsy nisy resaka fa dia niharan’ny daroka avy hatrany ranamana noho ny hatezeran’ilay raim-pianakaviana. Niantso ny mpiambina ilay vazaha nony avy eo ka ireo no nitondra ilay mpangalatra tany amin’ny polisy. Fantatra fa ny «tapis» rehetra tao amin’ny hotely no efa voaangon’ilay tovolahy ary nataony teo an-joron-trano, saika hoentiny. Efa tsy zoviana tao amin’ny polisy intsony ilay jiolahy satria vao tsy ela akory izay no nitondran’olon-kafa azy tao amin’ny polisy saingy nokaikeriny ilay mpitondra azy ka tafaporitsaka izy. Efa eo an-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ankehitriny.

Caïus Raharison

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT