Nanatanteraka fitokonambe ny mpampianatra tao Antsirabe omaly alatsianiny 07 mey maraina.
Toy ny mahazatra dia teo amin’ny kianjan’ny EPP Mahazoarivo hatrany izy ireo no nifamotoana. Nandritra ny lahateny nifandimbiasana no nilazan’ireo mpandahatra fa tsy hiato ny tolona raha tsy mahazo toromarika avy amin’ireo mpitantana aty an-drenivohitra izy ireo satria tsy mbola mamaly ny hetahetan’izy ireo ny valin-tenin’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Manoro Régis. Raha ny nitranga nandritra ny fananganan-tsaina tao amin’ny LARA na ny Lycée André Resampa moa dia nisy mihitsy ny fitondran’ireo mpianatra sorabaventy mitaky ny fialan’ity minisitry ny fanabeazam-pirenena ity, ary saika nisy ny fivoahana ny faritry ny lisea hitaona ny mpianatra tany amin’ny CEG Soamalaza.
Nanoloana izany moa dia nihetsika avy hatrany ireo ambaratongam-pahefana eo anivon’ny fampianarana tao Antsirabe notarihin’ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena (DREN) Vakinankaratra, Rakotomalala Andriamihaja. Fantatra tamin’izany fa tsy maintsy manaraka ny toromariky ny ministera izy ireo dia ny tsy maintsy hianaran’ny ankizy manerana ny Faritra amin’ity herinandro ity. Nisy ny fitetezana ireo sekoly tena nikatona tanteraka toy ny tao amin’ny EPP Ambavahadimangatsiaka sy ny CEG Soamalaza ary ny LARA. Tapaka tamin’io fa hanomboka hiverina hiasa ireo mpampianatra vonona tamin’ireo sekoly ireo.
Hisy akoatra izay ny fidinana any amin’ireo Cisco hafa ihany koa ka iangavian’ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena ao Vakinankaratra ny tsy hisian’ny teritery atao amin’ireo mpampianatra te hiasa sy ny mpitokona fa avela hisafidy ny rehetra. Nambarany ihany koa fa ho an’i Vakinankaratra dia aorian’ny alarobia izao no hisy amin’izay ny fandraisana ny anaran’ireo izay mbola mitokona ka halefa any amin’ny tompon’andraikitra tandrify izany. Nambaran’ny DREN ihany koa fa misy ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny mpitandro filaminana mba hialana amin’izay mety ho fihoaram-pefy ataon’ny mpitokona sy ny mpianatra. Nohamafisiny, araka izany, fa amin’ity herinandro ity ihany dia hifarana ny fitokonana ao Vakinankaratra.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.