Hatairana ny an’ny mponina Antsirabe ny zoma 26 aogositra teo raha nahita fiara mirimorimo toa mifanenjika nihazo ny toby miaramila iray tao an-toerana ary tsy nijanona raha tsy teo ambavahadin’ilay toby mihitsy satria teo no tratrany ilay olona tadiaviny izay saika haka seza hampiasaina tamina hetsika ara-pivavahana tao Antsirabe.
Tonga dia miaramila mirongo basy no nivoaka ny fiara ka teo vao gaga ny olona fa ny solombavambahoakan’Antsirabe II teo aloha Randrianantenaina José no nohenjehin’ireto miaramila ireto. Avy hatrany dia nentina teny amin’ny Kaomisarian’ny Polisy izy nony avy eo ary teny vao fantatra fa olon’ny DST ireto nisambotra azy ireto ary noterena hamoaka ny fiara nampiasainy teo aloha ity solombavambahoaka teo aloha ity.
Tsy moramora moa ny rahom-bava sy ny gidragidra nahazo azy, araka ny tatitra ihany, ary naharitra ora maromaro no nitazonana azy tao ka taorian’izay dia nentin’ireo mpitandro filaminana nitady izay toerana nitoeran’ilay fiara ny tenany. Tsy vao sambany moa no nitrangana herisetra toy izao ataon’ny FAT izao tamin’ireo olom-boafidy ao Vakinankaratra fa dia efa niharan’ny toy izao koa ny namany iray Atoa Rakotomiandrisoa Jean Ernest sy ny Senatera Lanto Rabenatoandro ary tao koa ireo mpitari-tolona nogadraina mihitsy noho ny antony tsy fantatra. Mahagaga ihany raha toa ka ao anatin’ny vanim-potoana hitadiavana fitoniana toy izao no mbola manao fihetsika toy izao !
Caïus R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.