Actualités

Antsirabe Nahazo fampitandremana ireo mpanao Cash point


  • Alarobia 12 Oktobra 2022

Nampitandrina ireo mpanao cash point ao Antsirabe ny sampan-draharahan’ny Ministeran’ny varotra any an-toerana tsy haka sarany ambony mihoatra noho izay tokony ho alainy.

Misy amin’izy ireny mantsy no maka sarany ambony mihoatra ny 100 Ar amin'ny fividianana fahana sy mampandoa vola amboniny amin’ny mpanjifa ka misy hatrany ny fitarainana voaray. Nisy mihitsy moa tany an-toerana ny fampifanatrehana ny DRICC Vakinankaratra ny tompon’andraikitra avy amin’ireo orinasam-pifandraisana (Telma, Orange, Airtel) sy ireo mpisehatra amin’ny cash point rehetra ny fiandohan’ny herinandro teo hisorohana ity fanararaorana mihoampampana ity. Nohazavaina tamin’ireo mpanao cash point ireo ny andraikitra nekeny ka tsy tokony hakany sarany ambony amin’ny mpanjifa. Efa nisy ny fanentanana natao tamin’ireo cash point sy fanantonana ireo orinasam-pifandraisana talohan’ny fampihaonana ny roa tonta koa andrasana izay mety ho tohiny. Tsy ho an’Antsirabe irery moa fa mpanao cash point amin’ny faritra maro ihany koa no fantatra fa manararaotra fatratra ireo mpanjifa amin’izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT