Actualités

Antsirabe Misy hetsika hafa mipoitra


  • Zoma 25 Mey 2012

Mihazakazaka ny fandehan’ny raharaham-pirenena ka mivoatra manaraka izany koa ny any amin’ny faritra.

 Fantatra ary izao fa dia misy indray ny andian’olona leon’ny fahasahiranana sy jadona miha mahazo laka eto amin’ny firenena izao ka tapa-kevitra fa hanomana hetsika goavana ato ho ato. Nambaran’ireo mpitarika fa hanetsika ny mponin’Antsirabe manontolo no tanjon’izy ireo ka tsy ho ela intsony izany. Tsikaritra moa fa saika olom-baovao sy tsy mbola tazana teny an-kianja ireto vonona ny hihetsika ireto ka voalaza fa mba hialana amin’ny mety hisian’ny kajikajy politika no antony araka ny fanazavana. Nambaran’izy ireo fa hanara-dalana ny hetsika hatao saingy efa mivonona amin’ny ramatahora mety hiseho. Etsy an-daniny dia efa mampiomana ny mponin’Antsirabe izy ireo fa sioka tokana fotsiny hoy izy ireo dia “lasa izao” ka na ireo mpitolona ao amin’ny Magro Avaratsena aza dia taomin’izy ireo hiaradia aminy amin’izany satria tanjona tokana ihany no tiana hitodiana dia ny fampiharana ny tena Demokrasia izay nolazaina fa tsisy teo aloha kanefa izao vao maika aza tena nofoanana. Andrasana araka izany ny ho fivoaran’ity hetsika ity.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT