Actualités

Antsirabe Mipetraka ny dabam-bako misy sokajiny


  • Alarobia 30 Desambra 2020

Mampiasa ireny toerana fanariam-pako madinina na “poubelle” ireny amin’ny

 

 

 

endriny telo milahatra ny kaominina Antsirabe amin’izao fotoana izao. Eny amin’ny arabe be mpandalo no nametrahana azy io, ary mizara telo mazava araka ny karazany ny fako: taratasy, akora organika, ary ny plastika. Natao mba hitandroana ny fahadioavan’ny tanàna io mazava ho azy, izay fomba fanao amina tanàna sy tanàn-dehibe maneran-tany.Fiaraha-miasan’ny Kaominina Antsirabe sy ny orinasa DHL no voalaza fa nahafahana nametraka izany. Ahafahana tonga dia manavaka ny fako tsirairay sy hikajiana ny tontolo iainana satria misy ny fako mora levona, fa misy ny tsy mety potika. Efa nisy ny tahaka itony teto Antananarivo, toy ny teny Analakely, saingy misy manimba sy mangalatra. Mila manova toe-tsaina, ary mba mila mandray andraikitra mitandro ny fahadioavana ny isam-batan’olona, mila mikajy ihany koa ny fananana iombonana, fa tsy faly hanome tsiny lava ny tompon’andraikitra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT