Actualités

Antsirabe Mampitandrina ny polisy


  • Alatsinainy 11 Aprily 2011


Miely ny resaka ao Antsirabe tamin’iny herinandro iny fa efa nivoaka ny fonja ireo mpitondra fiangonana teo aloha voarohirohy tamin’ilay resaka faty olona mahatsiravina hita tany an-toerana. Manamarika anefa ny kaomisera ao Ambohimena izay manao ny famotorana mikasika ity raharaha ity fa lainga ary tsaho ny resaka mikasika ity fivoahana ny fonja ity.

Olona telo tamin’ireo valo voarohirohy tamin’iny resaka iny ihany no nangataka fahafahana vonjimaika saingy tsy nahazo, hoy ny Kaomisera. Nanamarika kosa anefa izy fa izay tratra manely ity tsaho milaza fa efa nivoaka ny fonja ireo voarohirohy amin’iny resaka iny dia handraisan’izy ireo fepetra avy hatrany ary hosamborina. Mikasika ireo taolam-paty hita kosa dia fantatra fa razana roa hatreto no fantatra. Ny voalohany ilay mpanjaitra atao hoe Clarisse. Tovolahy 16 taona kosa ilay razana faharoa. Efa nalevin’ireo fianakaviany tsirairay avy ireo razana ireo amin’izao fotoana izao.

 
Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT