Niavaka ny fankalazana ny 8 Martsa ho an’ny Distrikan’Antsirabe faharoa, noho ity Distrika ity hany manana solombavambahoaka vehivavy ao amin’ny Faritra Vakinankaratra.
Diabe namakivaky ny tanànan’Ambohibary no nanombohana ny hetsika nataon’ireo fikambanam-behivavy maro notronin’ny solombavambahoaka mianadahy dia Rtoa Ravelohanitra Nirina sy Atoa Randrianantenaina José izany. Nanentana ny vehivavy ho sahy handray andraikitra ity farany satria efa misy ny solombavambahoaka vehivavy ka tokony mba hisy ben’ny Tanàna vehivavy 5 farafahakeliny ao Antsirabe faharoa amin’ireo kaominina 20 misy ao aminy, hoy izy. Fa nandrasan’ny maro ny fandraisam-pitenenana nataon-dRtoa Ravelohanitra Nirina, solombavambahoaka izay fisehoana voalohany nataony tao anatin’ny Distrika naha voafidy azy, taorian’ny fifidianana. Nambarany fa «tonga ankehitriny ny fotoana fanomezan-tsehatra ny vehivavy eo amin’ny raharaham-pirenena ka aoka ho sahy handray andraikitra amin’izay isika satria izay no antoky ny fampandrosoana». Nanolotra lelavola iray hetsy Ariary ho an’ny fikambanan’ny jamba ireo solombavambahoaka ary roa hetsy Ariary ho an’ny fikambanan-behivavy ary baolina ho an’ireo tanora vehivavy tao an-toerana satria nisy ny fifaninanana basikety nataon’izy ireo.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.