Antsirabe faharoa

> Nahatratra antsasa-metatra ny hatevin’ny havandra


  • Talata 05 Novambra 2013


Niraraka indray ny havandra tamin’iny ilany atsinanan’Antsirabe iny ny harivan’ny alatsinainy 04 novambra lasa teo, ka voalaza fa nahatratra hatrany amin’ny antsasa-metatra ny hatevin’ny havandra tany amin’ny Kaominina Ambatomena, Distrikan’Antsirabe II. Tokony ho tamin’ny 5 ora hariva no nirotsaka ny orana narahan’ny havandra ity, ary naharitra fotoana lavalava ihany raha ny tatitra azo tamin’ny lehiben’ny Fokontany Mahazoarivo, Kaominina Ambatomena. Araka ny filazany dia potika tanteraka ny voly efa nitsiry ary ny paoma izay eo amin’ny fotoana hamelanany dia nihitsana avokoa. Velon-taraina, araka izany, ny mpamboly satria ny sisa tsy lanin’ny valala tamin’ny fotoan’androny dia izao rarafan’ny havandra izao indray.

Caïus Raharison


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT