Antsirabe

> Voatora-bato ny RTA, nanidy trano ny Karana


  • Alarobia 25 Septambra 2013

Nitrangana savorovoro ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra omaly.

Voatora-bato ny foiben-toeran’ny RTA ary dia raikitra ny tabataba. Mifamahofaho ny fanazavana voaray. Ao ireo milaza fa resa-bola no antony, ny hafa indray milaza fa fanakorontanana tsotra izao satria kandida filoham-pirenena ny tompon’ity haino aman-jery ity. Ny zava-nisy aloha dia nisy fiantsoana olona niainga tao mba handray anjara amin’ny karnavaly mitety tanàna, ary maro ireo namaly ny antso. Tsy nisy olana teo am-piaingana fa tany am-pahatongavana ny tolakandro no nitranga io savorovoro narahina tora-bato teo amin’ny vavahady fidirana ny foiben-toeran’ny RTA io. Vetivety dia niely eran’ny tanàna ny feo, ka dia nanakatom-baravarana ireo tranombarotra Karana, niahiahy sao misy fanararaotana. Nilamina ihany anefa izany nony hariva ny andro. Tsy nisy naratra, na koa zavatra simba.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT