Antsirabe

> Voatafika ny Telma Shop


  • Alakamisy 31 Oktobra 2013

Nitrangana fanafihana mitam-basy tao an-tanànan’Antsirabe ny alarobia 30 oktobra mitatao vovonana ka lasibatra tamin’izany ny Telma Shop.

Raha ny nambaran’ireo mpiasa dia nisy olona dimy lahy tsy nisaron-tava no niditra tao. Nilaza ny iray fa haka vola iray tapitrisa Ariary homena ireo efa-dahy namany ho any amina fitrandrahana vato. Vita ny resaka dia nanambara fa miandry ny SMS ho tonga izy ireo. Taorian’izay dia namoaka basy poleta tao anaty akanjony ny iray ka nanambana ilay noheveriny fa mpitam-bola. Diso hevitra anefa izy ireo satria tsy ilay mpitam-bola no voambana basy. Lasa nitsoaka ilay nitana ny lakilen’ny “coffre”, ary niantsoantso vonjy teo ivelan’ny Telma Shop no sady nandositra. Tsy hitan’ireo jiolahy izay natao ka ny mpanjifa mbola tavela tao no niharan’ny fandrobana rehefa avy nodorany tamin’itony fitaovana misy herinaratra itony ary nosavainy ny paosiny. Voalaza fa vola 400.000 Ariary no lasan’ireo jiolahy. Nanomboka vory ny olona ka nitsoaka nandositra tamin’ny moto scooter ny telo lahy ary nanenjika avy tao aoriana ny iray izay tavela fa ilay iray nampiresaka teo am-piandohana kosa nizotra lalan-kafa. Mbola nitazona ny basy teny an-tanany moa izy ireo ka nanaitra ny olona ny fahitana izany saingy tsy nisy nanampo fa voatafika ny Shop Telma. Taorian’izay no tonga ny mpitandro filaminana ary nanokatra fanadihadiana nanomboka tamin’ireo mpiasa sy ny olona rehetra nivezivezy tao amin’ity toerana ity.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT