Antsirabe

> Sesilany ny vaky trano


  • Alarobia 07 Aogositra 2013

Mandry andriran’antsy ny mponina ao Antsirabe amin’izao fotoana nohon’ny afitsoky ny mpamaky trano. Saika isan’alina mantsy dia ahenoana akon’izany vaky trano izany hatrany ao an-toerana.

Ankoatra ny fisian’ireo mpanafika izay mitady volabe dia tsy hay tohaina koa ny halatra madinidinika isan-karazany. Raha ny nitranga ny alin’ny alatsinainy 05 aogositra teo dia tranona Sefo ZAP iray tao Milahoazy, Fokontany Sahatsiho-Ambilobe indray no lasibatra. Raha ny tatitry ny niharam-boina dia tokony tamin’ny 1 ora maraina tany ho any no nitrangan’ny halatra ka najifan’ireo jiolahy izay azo noraisina. Lasan’izy ireo hatramin’ny antontan-taratasy samihafa niaraka tamin’ny vola, ankoatra izay dia nobatain’ireo jiolahy ihany koa ny kisoa iray mbola vantony tokony ho 30 kilao teo ho eo tamin’ireo efatra tao am-bala. Ny nahagaga hoy ity niharam-boina ity dia tena tsy nigiaka araka ny fiteny mihitsy ilay kisoa. Tsy hitan’ny Fokonolona intsony moa izay ho sarangotina amin’izao fotoana fa amin’ny antoandro vizaky ny fivelomana ka dia tsy afa-miari-tory miambina intsony ny mponina ka dia manao izay danin’ny kibony ireo olon-dratsy.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT