Antsirabe

> Ambohipihaonan’ny vahoaka tanteraka


  • Zoma 30 Aogositra 2013

Vory vahoaka tanteraka amin’izao fotoana ny tanŕnan’Antsirabe. Saika feno olona mifanaretsaka isan’andro ny arabe ka mitohana hatramin’ny fifamoivoizana, indrindra fa amin’ny lalana mihazo an’Antsenakely ao afovoan-tanŕna.

Hetsika maro moa no tontosaina ao Antsirabe amin’izao fotoana ka mahatonga ireo olona marobe ireo hifanaretsaka etsy sy eroa. Eo aloha ny Zaikaben’ny fikambanam-behivavy Loterana andiany faha-14 izay nisokatra 27 aogositra ka tsy hifarana raha tsy ny alahady 01 septambra andraisan’ny mpizaika maherin’ny 12.000 anjara, avy amin’ny ireo Synoda 23 manerana ny Nosy miampy ny avy any Eoropa. Eo ihany koa ny hetsiky ny Vondrona laika Kristianina FJKM izay atao ao amin’ny fiangonana KAMAFA Vatofotsy. Tanterahina ao Antsirabe ihany koa ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja baskety U14. Ary anio zoma dia hanomboka ny hetsika ara-kolontsaina «Festival Mamahoaka» andiany faha-5 izay hatao eo anoloan’ny Gara. Saika ny alahady 01 septambra avokoa moa no hifaranan’ireo hetsika ireo. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fialan-tsasatra moa ny andro izao ka maro ny mamonjy ireo hetsika ara-pivavahana toy ireny, saingy ilana fitandremana tanteraka ny ao Antsirabe satria mirongatra koa izao ny harom-paosy sy ny tontakely rehefa an-kavoriana toy izao.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT