Actualités

Antsirabe Be ny diso fanantenana


  • Zoma 30 Martsa 2012

Diso fanantenana ny akamaroan’ireo Malagasy tia tanindrazana tao Antsirabe ny andron’ny 29 martsa teo noho ny nataon’ireo mpitarika.

 Raha ny fandaharam-potoana efa azon’izy ireo ny harivan’ny talata 27 martsa nandritra ny fivoriana fanomanana dia hanamarika manokana izay andron’ny maherifo izay izy ireo ary nifanapahan’ny rehetra izany. Anisan’ny antony saika tsy hiarahana amin’ireo solontenam-panjakana moa ny tsy fahatanterahan’ny tondrozotra an-tsakany sy an-davany, ny resaka famotsoran-keloka izay toa kendrena mba hanilihana eo amin’ny sehatra politika ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy.

Efa lasa avokoa moa ny fanasana ireo mpitolona tamin’ny alalan’ny SMS ny alin’ny talata vao tonga indray ny filazana fa tsy maintsy foanana ny hetsika fa kosa ny maraina no mifamotoana eo amin’ny lanonam-panjaka ny rehetra. Betsaka no sorena ka tsy tonga teny amin’ny gara ny akamaroan’ny olona ny maraina fa mbola niandry ny tolakandro ihany saingy tsy nisy intsony ny hetsika fa dia samy nitsitokotoko teo fotsiny dia nisaraka. Betsaka ireo velon’ahiahy fa ho faty ny tolona raha izao no mitohy. Saika tazana nanotrona ny lehiben’ny Faritra avokoa mantsy ireo mpitarika ny maraina ka izay no tena mampiahiahy ireo mpitolona tao Antsirabe ny andron’ny 29 martsa io.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT