Saron'ny mpitandro ny filaminana avy ao amin'ny polisim-pirenena ireo andian-jiolahy mpanafika sy mpamaky trano tao Antsirabe.
Telolahy no voasambotra ny zoma 05 aprily ka natolotra ny fampanoavana omaly alatsinainy 07 aprily. Anisan'ireo jiolahy mpanao fanafihana mahery vaika tao Antsirabe sy ny manodidina izy ireo. Ny fanafihana telo tamin'ireo dimy nitranga no voalaza fa nandraisan’izy ireo anjara, saingy tsy tratra teny aminy ny basy fampiasany. Mbola misy ireo namany hafa karohina amin'izao fotoana. Tratra niaraka tamin'izy ireo ny entana halatra marobe nahitana fahitalavitra, bisikileta, kidoro, fanamiana mpitandro filamina ary solovolo sy zava-maranitra toy ny sabatra sy famaky ary "barre à pince" fampiasan'izy ireo. Nambarany mazava kosa tamin'ny fanadihadiana fa fantany ireo nanao ny fanafihana roa hafa izay tsy nandraisany anjara ka karohina ireo tompon'antoka amin'izao fotoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.