Actualités

Antsirabe 1000 Ar hofan-tsarety namoizana aina


  • Alatsinainy 12 Septambra 2011

Loza koa ny nahazo ny fianakaviana kely monina tao amin’ny Fokontany Antanambao Est-Ivohitra fa noho ny fifamaliana tamina vola 1000 Ariary nisy tamin’ireo mpianadahy dia niafara tamin’ny tsindrona antsy izany.

 Ny talata 06 septambra teo no niseho ny tantara, araka ny nolazain’ilay ramatoa maty vady, ary ny anadahiny ihany no namono ity vadiny ity. Mpampanofa sarety moa no asan’izy mivady ireto ka nanofa sarety taminy ny anadahiny. Rehefa hariva dia nilaza ho tsy nahita karama ranamana ka nilaza fa tsy manana ilay 1000 ariary hofan-tsarety ary nanomboka nila vaniny satria efa mamomamo rahateo. Rehefa niakatra ny feo dia ilay anabaviny no saika hovonoiny saingy niaro azy ny vadiny ka dia tany amin’ity farany ny antsy no niantefa ka ny takibany no voa. Novonjena teny amin’ny Hopitaly Atsimo ihany saingy ny alakamisy teo dia tsy tana ny ainy. Hatreto moa dia mbola karohina ity ranamana namono ny zaodahiny ity satria nitsoaka tao Antsirabe ny tenany.

 

Caïus R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT