Antsiatsiaka - Fenoarivo Atsinanana

> Jerem-potsiny ny fikapana sy fanondranana andramena


  • Alarobia 30 Oktobra 2013

"Henjehintsika tsy hananantsika antra ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena toy ny andramena ato anatin'ny Faritra Anananjirofo".

Tenin'ny lehiben'ny Faritra Analanjirofo io nandritra ny fotoana nametrahana azy tamin'ny fomba ofisialy izay natrehin'ny minisitry ny Atitany, lanonana natao teo anoloan'ny araben'ny fahaleovantena tao Fenoarivo Atsinanana. Tsy nisy roa volana aty aoriana akory, dia Kaominina eo ambany mason'ingahy lehiben'ny Faritra Analanjirofo ao amin'ny Kaominina Antsiatsiaka, Distrikan'i Fenoarivo Atsinanana ankehitriny no ahitana fikapana gaboraraka sy fanondrana izany an-tsokosoko. Zahatra, ireo karazana fitaterana an-dranomamy vita amin'ny volotsangana, miisa 3 isan’andro no mitondra ireo andramena mivoaka avy ao amin’ity Kaominina ity. Velon-taraina mafy ireo mponina satria tsy tahotra tsy henatra ireo efa fanta-daza ao Fenoarivo Atsinanana no mpanao izany nefa tsy misy sahy manakana sy misambotra (?). Tsy misy tamberimbidy na ny Ariary aza miditra ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana na ny Kaominina ao anatin'izany rehetra izany.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT