Nitrangana asan-jiolahy tany amin’ny Distrikan’Ambatolampy ny faran’ny herinandro lasa teo. Raha ny tatitra azo avy tany an-toerana dia tao amin’ny Kaominina Antsampandrano no nitrangan’izany.
Niisa enina ireo jiolahy no indray nanafika tokantrano iray, araka ny tatitra. Voalaza fa nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika satria toa nahitana basy «kalashnikov» izany raha ny tatitry ny niharam-boina. Nopoirin’izy ireo ny varavarana izay nisy ny lehilahy iray tokony ho 60 taona teo ho eo ka avy dia norarafany ny tifitra ilay raim-pianakaviana. Voalaza moa fa nahatratra 2 tapitrisa Ariary teo ho eo ny vola lasan’ireo jiolahy tamin’izany. Taorian’ny poa-basy dia nivoaka ny Fokonolona ka nitsoaka ry zalahy. Niezaka nanara-dia ihany ny Fokonolona saingy tsy hita taratra sy tratra ireo jiolahy ka mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana. Raha ny resaka mandeha dia efa avy nanafika tao amin’ny tanànan’Ambatoharana, Distrikan’Antanifotsy ireto jiolahy ireto nialoha ity fanafihana tany Ambatolampy ity. Mbola tsaboina ao amin’ny hopitalin’Ambatolampy moa ity ray aman-dreny ity amin’izao fotoana noho ny ratra nahazo azy.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.