Actualités

Antsanitia Mahajanga Mpanao vakansy iray maty an-drano


  • Alatsinainy 16 Aogositra 2021

Tovolahy mpianatra iray vao 23 taona monja avy aty Antananarivo no maty an-drano tao Antsanitia Mahajanga ny faran’ny herinandro teo raha tonga hiala sasatra.

Raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany ao an-toerana dia anisan’ny antony miteraka fahafatesana tahaka izao, indrindra fa ao amin’ny faritra iadidiany ny fanotana fady. Tsy azo hatao ohatra ny mitondra elo sy sakafo misy henan-kisoa ao Antsanitia. Ankoatra izay hoy hatrany ity sefom-pokontany ity dia takiana sy ilaina hatrany ny fitandremana, indrindra fa ho an’ireo mitondra ankizy madinika ao anatin’izao fotoam-pialam-tsasatra lehibe izao. Tsiahivina moa fa mitombo izaitsizy ireo mpiala sasatra tonga ao Mahajanga amin’izao fotoana izao. Efa feno hatrany amin’ny 70% ny efitrano fandraisam-bahiny raha tsy mandray intsony ireo trano tsotra hampanofana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT