Actualités

Antsahamasina Ambohidrapeto Nahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro


  • Zoma 10 Jona 2022

Ankoatra ny lalana sy ny rano dia anisan’ny mampijaly fatratra ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Antananarivo Atsimondrano ihany koa ny tsy fisian’ny jiro.

Raha araka ny fanadihadiana natao dia Fokontany 5 ao anatin’ny kaominina no mbola miaina anaty haizina tanteraka amin’izao ka anisan’ireny ny Fokontanin’Antsahamasina sy ny Fokontanin’Imerimandroso. Mba ho fanampiana ity kaominina ity ary dia fantatra fa hifanohana aminy ny kaominina Antananarivo renivohitra, tarihin’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Tontosa omaly folakandro ny resaka nifanaovan’ireo Ben’ny tanana roa tonta mikasika ny asa fampandrosoana hiarahany izay tsy hijerena loko politika no sady tsy hijerena zavatra hafa ihany koa fa tena hiompana amin’ny fampandrosoana tanteraka. Raha fehezina dia miditra amin’ny sehatry ny fampirahavaviana ny kaominina tantanany ny roa tonta ka ho an’ny kaominina Antananarivo renivohitra manokana dia hoentiny avokoa izay azony hoentina ho an’ity kaominina iray ity. Nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 10 ho an’ny Fokontany Antsahamasina izy ohatra omaly, fanampiana izay efa nosantariny tamin’ny fanomezana logiciel hahafahan’ny kaominina mandamina ny resaka hetra na ny IFPB. Mbola santatra am-bava rano ihany anefa io raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Naina Andriantsitohaina. Efa mandeha mantsy amin’izao ny fifampiraharahana hataony amin’ny fitondrana sy ny orinasa JIRAMA mba hahafahana mamatsy jiro ara-dalana ireo Fokontany 5 tena sahirana ao anatin’ity kaominina ity raha toraka izany ihany koa ny rano. Hanampy an’Ambohidrapeto amin’ny fanamboarana foto-drkoa afitrasa ihany ny kaominina Antananarivo renivohitra izay ho fantatra mian-dalana eo avokoa ny tohiny. Marihina moa fa efa mahatratra 40.000 isa ireo mponina ao anatin’ny kaominina Ambohidrapeto amin’izao.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fanampiana omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT