Actualités

Antontanisa marina sy ara-potoana Andrin’ny politika ara-toekarena sy ara-barotra


  • Alarobia 11 Jolay 2012

Manan-danja lehibe eo amin’ny sehatra ara-barotra sy ny tontolo ara-toekarena amin’ny ankapobeny ny fifehezana ny antontanisa sy tarehimarika.

 Sampandraharaha misahana ny fanadihadiana amin’ny seha-pihariana isan-tsokajiny sady mamoaka izany ny INSTAT. Ireny antontanisa avy aminy ireny no ampiasain’ny Ministeran’ny varotra amin’ny famolavolana politika sy ny paikady fampandrosoana ny varotra ivelany sy anatiny. Mandiso ny tranga sy ny fepetra raisina mantsy ny tarehimarika tsy marim-pototra na tara fahatongavana eny anivon’ny ministera misahana ny varotra. “Nisy lesoka rahateo ny fahazoana izay antontanisa izay teo aloha” raha ny nambaran’ny minisitra Ramalason Olga. Eo anatrehan’izay dia nanapa-kevitra hanatsara sy hanamora ny fiaraha-miasa ny ministeran’ny varotra sy ny INSTAT. Hanome ny voka-panadihadiany isam-bolana momba ny vidin’entana ny INSTAT fa misy koa ireo halefa isan-telovolana araka izay sehatra na lalampihariana ilain’ity ministera ity. «Tsy ilana fifanatonana na fangatahana intsony fa tonga dia alefanay amin’ny fotoana efa voafaritra ireo.

Ny Ministera koa anefa mila mampahafantatra anay izay fepetra na fanapahan-kevitra vaovao noraisiny satria misy vokany amin’ny tarehimarika koa ireny”, hoy Ravelomanantsoa Gérard, Tale jeneralin’ny INSTAT, raha namintina ny votoatin’ny fifanaraham-piaraha-miasa vao nosoniavina. Nohazavain’Atoa Léonnel, Tale jeneralin’ny varotra ivelany fa tsy afa-miala amin’ny fikirakirana ny antontanisa ny fampiroboroboana ny varotra ivelany satria io no fototra iaingana amin’ny famaritana politika. Mila ny antontanisa kosa anefa ny varotra anatiny raha tsy hilaza afa-tsy ny vary satria miankina amin’ny fananana vaovao momba ny fiovaovan’ny vidiny eny an-tsena sy ny fifandanjan’ny tolotra sy tinady no amantarana ny habetsaky ny vary hafarana ifanarahana amin’ny mpandraharaha raha ny fanazavany ihany. Manamafy izay indrindra ny filazan-dRtoa Minisitry ny varotra, Ramalason Olga, fa manampy ny sehatra tsy miankina, ny mpampiasa vola ary ny mpanjifa tokoa ny fananana antontanisa ara-potoana.

 Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT