Actualités

Antoko mpihira Taratry ny Mazava Manomana rakikira miisa 2 avy hatrany


  • Alarobia 23 Desambra 2020

Taorian’ny fankalazana ny Krismasy teto Antananarivo niaraka tamin’ny zanaka

 

 

 

am-pielezan’ny FJKM Ambohidanierana Fahazavana dia any amin’ity tanindrazany ity indray no mety ahitana ny antoko mpihira Taratry ny mazava amin’ny famaranana ny taona, hoy ny filohan’ity antokom-pihira ity, Ralaiharimanana. Fiderana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny hira moa mazava ho azo no kasaina hatao raha sitrapon’ny Tompo ary anaty fanajana fepetra ara-pahasalamana hatrany. Hiaraha-mahalala fa ny volana janoary sy febroary ihany no tena nahafahana nanao hetsika tamin’ity taona ity. Tsy maintsy toriana anefa ny filazantsara ary tsy nahakivy anay nanaparitaka ireo horonantsary tamin’ny haino aman-jery samihafa izany. Marobe ny vinan’ny tanora Taratry ny mazava amin’io taona 2021 io ary efa maro ankehitriny ireo miantso ny antoko mpihira mba hihira any amin’izy ireo. Mangataka amin’ny Tompo anefa mba ho afaka eto izao zava-misy izao hanatanterahana izany. Ny rakikira miisa 2 kasaina avoaka amin’ny fiandohan’ny taona no efa voaomana dia ilay hoe “Safidy” sy “Didy vaovao”, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT