Antoko MFM

> 40 taona aty aoriana, mijoro ny sampana Vehivavy


  • Alatsinainy 23 Septambra 2013

Nifarana ny sabotsy 21 septambra teo ny Vovonan’ny antoko MFM rehefa naharitra hateloana, tetsy amin’ny Live Hotel Andavamamba.

Mpizaika an-jatony avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no nandray anjara. Anisan’ny lahadinika lehibe nodinihina sy nandraisana fanapahan-kevitra nandritra ity Vovonana ity ny fifidianana. Anisan’izany fehin-kevitra nivoaka tamin’izay ny nanamafisan’ny antoko ny fifamatorany amin’ny kandida Dr Robinson Jean Louis, izay tohanan’ny ankolafy Ravalomanana 100%. Fa nanamarika ity Vovonana ity ny fametrahana ofisialy ny sampana Vehivavy MFM, 40 taona aty aorian’ny nijoroan’ny antoko. Neken’ny besinimaro hitarika ny sampana Rtoa Rasoaniaina Lalatiana. Ity farany izay efa nitarika ny Vehivavy MFM Analamanga hatramin’ny 2009 sy mpanangana ny KMFB teny Atsimondrano teny. Mbola hanetsika ny Tanora MFM ihany koa Atoa Solohery Hilaire. Nivoitra nandritra ity Vovonana ity ihany koa ny handraisan’ny MFM anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao amin’ny 20 desambra, ka hisy ny hatolotry ny ankolafy Ravalomanana ary ao ny hirotsaka amin’ny lisitra MFM, toa an-dRtoa Rasoaniaina Lalatiana, izay hirotsaka eny Atsimondrano eny.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT