Actualités

Antokazo Ambato Natao sorona tany amin’ny kariera ilay zaza


  • Alarobia 23 Febroary 2022

Zazavay 10 taona no very tsy hita popoka ny takarivan'ny alahady 20 febroary 2020 lasa teo tany Antokazo Antsinanan’Ambatondrazaka.

 Nandeha ny fikarohana, ka omaly vao hita izy io, saingy efa vatana mangatsika sisa. Tany toerana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany na “carrière” tao Ambodipaiso (avaratr' Anosivola) no nahitana azy. Maty natao sorona ity zazavavy kely tsy manan-tsiny ity, raha ny filazan’ny mponina any an-toerana. Nisahotaka noho izany ny iray tanàna teo anatrehan’ity toe-javatra sady mampalahelo no mahatsiravina ity. Matetika no tsy milamina ny fandriampahalemana amin’ireo faritra ahitana toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany noho ny antony maro. Misy ny te hanan-karena tampoka ka mitady sorona, misy ny tsy mahazo kanefa lany vatsy, manita-kevitra hanao asan-jiolahy. Ankoatr’izay misy koa ireo olona milaza fa io resaka fanaovana sorona io no mahatonga ny faty hita efa tsy misy maso sy lela na taova hafa intsony…Tsy dia mbola nisy loatra ny fanadihadiana lalina ka hoe natao fanta-bahoaka tamin’ny fomba ofisiay fa dia ny resaka etsy sy eroa tany amin’ireo toerana nisehoana tranga hafahafa amina fahafatesan’olona no handrenesana ny vaovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT