Mitohy ny fanotofana tany eto an-drenivohitra na niteraka fimenomenomana sy anisan’ny fototry ny adilahy politika teto tamin’ny 2009 mihitsy aza. Misy fanotofana tany etsy Antohomadinika Avaratra, Boriborintany voalohany Antananarivo renivohitra. Ny manaitra ny maro amin’izy ity dia ny fahitana ireo fiara vaventy mitatitra ranontany atototra ao, samy ahitana taratasy misy soratra Hopitaly Andohatapenaka eo amin’ny fitaratra anoloana. Fiarabe telo samy nahitana io soratra io avokoa no hita nivezivezy tao amin’io toerana io ny alahady teo, andro tsy dia mahabetsaka fiara mifamoivoy amin’iny lalana rarivato, mampitohy an’Ankazomanga amin’Antohomadinika iny.
Hatreto aloha dia tsy mbola nandrenesana fa misy vinavinan’asa fanorenana hopitaly eo amin’ity toerana itaterana ranontany eo Antohomadinika Avaratra ity. Velom-panontaniana izay nahita. Fa angaha tsy eny amin’ny manamorona ny lalana digy no misy an’Andohatapenaka no toa lasa aty akaikin’ny lakandranon’Andriatany Antohomadinika no hanotofana tany, na dia samy boriborintany voalohany aza ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.