Antohibe Soavimasoandro

> Lahiantitra 74 taona maty tampoka noho ny ady tany


  • Sabotsy 14 Septambra 2013

Maty tampoka noho ny fijanonan’ny fony tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo ny raim-pianakaviana iray 74 taona noho ny fahitana ny tanimbary fivelomany nasain’olon-kafa izay iraky ny teratany vahiny iray mibodo ny taniny.

Marihina fa anisan’ireo mpamboly ao Antohibe Soavimasoandro mpikambana ao anatin’ny fikambanana “Tambatra Miezaka amin’ny Fampandrosoana” ity lehilahy lehibe maty ity ary misy namany telo hafa koa izao no fantatra fa marary fo vokatry ny alahelon’izy ireo ihany koa ny fangalan’ny vahiny ny tany efa nomaintisan’ny razamben’izy ireo molaly hatrany amin’ny 120 taona lasa tany ho any izao. Noho ny fiainana ny soatoavina Malagasy nandeha ankitsim-po moa dia tsy fantatr’ireto tantsaha ireto izany hoe mba hanoratra amin’izy ireo mazava ny taniny izany ka teo an-dalam-pikarakarana taratasy izy ireo, ho an’ny taranaka aty aoriana no nisy vahiny ny nanoratra ny tany an-jatony hekitara tao anatin’ny in-dray mipi-maso ary mampihorohoro ireo mbola mikiry mamboly izany tany izany.  Feno ankehitriny ny kapoakanay, hoy ireo Fokonolona eny Antohibe, noho ny antsojay ataon’ilay vahiny ka te hitroatra mafy hanohitra izao tsy rariny mahazo ny Malagasy eto an-taniny izao.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT