Actualités

Antenimierandoholona Nodimandry ny loholona Eongobelo Jean Marcel


  • Alatsinainy 17 Janoary 2022

Nodimandry omaly alahady 16 janoary 2022 ny loholon'i Madagasikara lany tao amin'ny Faritanin'i Toliara, Andriamatoa EONGOBELO Jean Marcel.

Notanterahina omaly ihany tao amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona Anosikely ny fanaovam-beloma farany ny nofo mangatsiakany, fotoana teo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Andriamatoa Herimanana Razafimahefa. Anisan’ny nanatrika izany fotoana izany ihany koa ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, Atoa Hajo Andrianainarivelo sy ny Solombavambahoaka, Atoa Siteny Randrianasoloniaiko. Teraka tamin’ny 16 Janoary 1962 tao Betioky-Atsimo, izany hoe: feno 60 taona katroka omaly ity loholona nodimandry ity. Manambady aman-janaka izy ; ary voafidy ho Loholon’i Madagasikara tamin’ny anaran’ny Antoko IRMAR nandritra ny fifidianana Loholon’i Madagasikara farany teo. Nahazo diplaoma tao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa ny tenany ; ary niasa tamin’ny sehatry ny fandraharahana sy tamin’ny sehatr’asa ara-tsosialy maro isan-karazany izay nitazonany andraikitra maro samihafa… Tamin’ny taona 2003 dia nanomboka ny asany amin’ny maha kaomisera jeneraly miadidy ny harena stratejikan’ny Faritanin’i Toliara, avy eo dia mpanolo-tsaina teknika tao amin’ny Antenimierampirenena tamin’ny taona 2004. Nandritra ny taona 2009 dia lasa mpanolo-tsaina teknikan’ny Ministeran’ny fiompiana ary koa mpanolon-tsaina teknika miadidy ny angovo sy ny harena ankibon’ny tany ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana izy, raha nisolo tena ny Faritra Atsimo Andrefana tamin’ny foara iraisam-pirenena izay natao tany CARARA Italie. Taorian’izany, tamin’ny 2010, dia lasa “Conseiller de la Transition de Madagascar” (CT) ny tenany. Ara-politika, izy no mpandrindram-paritry ny antoko TGV MAPAR ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ary mpikambana mpanorina ny TGV ao amin’ny Distrikan’i Toliara-I, Filoham-boninahitry ny FITEA (Fikambanan’ny Teraka Androy) koa izy ary Filohan’ny FIPITO (Fikambanan’ny mpivarotra Toliara). Taorian’ny fanaovam-beloma tetsy amin’ny Antenimierandoholona, dia nentina niazo an’i Toliara tanindrazany ny nofo mangatsiakany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankavian’ny loholona EONGOBELO Jean Marcel isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT