Isan’ireo nandray anjara tamin’ny andiany faha 26 amin’ny diniky ny firenena mikambana momba fiovaovan’ny toetr’andro ny 31 oktobra hatramin’ny rahampitso 12 novambra 2021 tany Glasgow- Ecosse,
ireo delegasionina parlemantera eto Madagasikara. Ny avy eo anivon’ny antenimieran-doholona moa no nisolo tena antsika tao anatin’izany ary notarihin’ny filohan’izy ireo, Herimanana Razafimahefa sy ny loholona Jean André Ndremanjary, sojabe ao amin’ny lapa maitson’Anosikely ao. Miara-miasa akaiky ny antenimieran-doholona sy ny minisiteran’ny tontolo iainana sy fandrosoana maharitra, raha ny nambaran’ny minisitry ny tontolo iainana, Baomiavotse Vahinala Raharinirina, hiadiana amin’izay fiovaovan’ny toetr’andro izay. Nisy ny fihaonan’ity minisitra ity tamin’ny filohan’ny Faritra ao Corse, Frantsa, Gilles Simeoni, izay filohan’ny kaomisionin’ny fampitana ekolojika ao amin’ny faritr’I Frantsa hatrany. Niompana tamin’ny fitsinjaram-paritra sy ny vahaolana momba ny fiovaovan’ny toetr’andro ny resaky ny roa tonta, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.