Nofaranana ofisialy ny sabotsy lasa teo ny fivoriana tsy ara-potoana naharitra 12 andro teny anivon'ny Antenimierandoholona. Nitarika ny fotoana ny Filohany, Rakotomanana Honoré.
Tonga nanome voninahitra teny an-toerana ny praiminisitra, lehiben' ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier sy ireo mpikambana ao amin'ny governemanta notarihany.
Volavolan-dalàna roa no nankatoavina teo anivon'ny Antenimierandoholona nandritra ny fotoam-pivoriana, dia ny laharana 30/2016 izay manitsy ny andininy faha-20 ao amin'ny lalàna 2014-006 mikasika ny « Cyber Criminalite » sy ny mikasika ny « Code de la Communication Médiatisée ». Nandritra ny kabariny no nanaovan'ny Filohan’ny Antenimierandoholona antso avo amin'ny maha zava-dehibe ny fihavanana izay tokony holalain'ny tsirairay. Nambarany fa raha manjaka ny fihavanana, dia miroso ny fampandrosoana satria misy ny fifankatiavana sy ny fifampitokisana.
Naneho ny fiaraha-miory tamin'ny vahoaka frantsay ihany koa ny Filohan'ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana noho ny voina nitranga tany Nice ka namoizana ain'olona maro.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.