Tovolahy iray no tratra nivarotra tapakila sandoka omaly maraina nanoloana ny lapa maitson’ny Antenimierandoholona etsy Anosy.
Nanadala sy nandresy lahatra ireo olona maika hijery ny lalao nifanandrinan’ny ekipam-pirenena Malagasy Barea sy Bénin io tovolahy io no saron’ny mpitandro ny filaminana tampoka. Avy hatrany dia nosamborina ny tovolahy. Fantatra tamin’izany fa ny mba hahazoany vola haingana no tanjony, toerana ratsy izay nambaran’ireo olona sasany mahafantatra azy fa efa mahazatra azy io. Nambaran’ny mpitandro ny filaminana moa fa efa eo am-pelatanan’izy ireo ilay tovolahy ary anjarany ny manao ny fanadihadiana raha ankinina amin’ny fitsarana kosa ny fanapahan-kevitra farany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.