Nahoraka tao Toamasina omaly tontolo andro, fa mamoaka kaontenera an-tsokosoko eo anivon’ny seranantsambon’i Toamasina (SPAT) ny miaramilan’ny FIS (Force d’Intervention Spéciale).
Tonga hatramin’ny hoe : “mamoaka basy an-tsokosoko ny fanjakana” sy ny hoe, “io indray ny fangalarana ny fananan-dRavalomanana ataon’ny fanjakana”.
Rehefa nozohina ny raharaha dia efa hatramin’ny sabotsy 04 aogositra no niseho ary nitohy omaly alatsinainy 06 aogositra. Tohin’ny olana misy eo anivon’ny Antenimieran’ny varotra Toamasina (CCIT) sy ny orinasa MICTSL misahana ny kaontenera, eo anivon’ny seranantsambo ihany izy ity. Efa roa herinandro teo mantsy ny filoha vonjimaikan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ao Toamasina (CCIT), Atoa Mandraina Félix, no teto Antananarivo nitady hevitra hamoahana ireo kaontenera ambara sy voasoratra fa lany fetr’andro nitoerana eo anivon’ny MICTSL, nefa ity farany tsy mety mamoaka izany hatramin’izay. Amin’ireo entana lany fetr’andro ireo anefa no mba fidiram-bolan’ny CCIT ahafahany mampandeha ny asany. Nambaran’ny CCIT fa tao anatin’ny telo taona izao dia efa 20.000 tapitrisa Ariary ny vola tsy tafiditra tamin’ny kitapom-bolany noho ny fanagejana entana ataon’ny MICTSL.
Efa nisy ny fitoriana nataon’ny CCIT mikasika ity raharaha ity, nefa hatreto dia mihantona tsy fantatra fiafarana izany na efa nahavita ny fanadihadiany aza ny zandary sy ny polisy ary efa eo am-pelatanan’ny fampanoavana ny antontan-taratasin’ady. Re ary izao fa na nisy aza io antontan-taratasin’ady io sy ny fangatahana “réquisition” nataon’ny CCIT dia tsy nanaiky nanao sonia sy nanome alalana mikasika izany ny lehiben’ny fampanoavana tao Toamasina. Hany heriny dia izao nifampiresaka sy nila vonjy tamin’ny FIS teto Antananarivo ary omaly dia nifanaretsaka tao amin’ny Port ny miaramilan’ny FIS fa hoe “hamoaka ireo kaontenera an-jatony nogiazan’ny MICTSL nefa efa lany fetr’andro ka tokony efa eo am-pelatanan’ny CCIT hatao lavanty mba ho volan’ity farany”.
Misy vary sy lafarinina ary siramamy an-jatony taonina avy, menaka am-polony kaontenera… izany hoe ireo entana tena ilaina amin’ny fiainana andavanandro avokoa ireto kaontenera ambara fa lany fetr’andro saika navoakan’ny FIS raha nahazo ny “réquisition” tamin’ny CCIT ireto. Tsy nitazam-potsiny ny zava-nisy ny lehiben’ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina sy ny Bianco Toamasina raha nahare ny zava-nisy, ka nijery ifotony ny raharaha tao amin’ny Port. Tsy nisy nipika ny dinika sy ny zavatra nataon’izy ireo tao, saingy raha ny tsiliantsofina re dia henjana ny fifanasana vangy ary nirangaranga ny basy hampitahorana ireo miseho ho mpanelingelina tamin’izao raharaha izao.
Tsy milefitra amin’ny ambarany fa tsy fanajana lalàna ka tsy nanomezana azy ny entana lany fetr’andro ny CCIT ; ny MICTSL koa anefa mihevitra fa tsara mpiaro sy manana ny rariny. Dia ho hita izany ny fiafaran’ity raharaha ity, fa ny FIS sy ny CCIT izany andaniny, ny MICTSL sy ny fitsarana ary ny Bianco izany ankilany, ny SPAT sy ny ladoany no mpanelanelana ny raharaha. Mbola mitohy ny tantara…
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.