“Mbola ela vao handroso ny fandraharahana Malagasy, na ara-barotra izany na ara-indostrialy indrindra amin’ny fanohanana ny mpandraharaha, izay andraikitry ny Antenimieran’ny varotra”.
Hevitry ny olona tafaresaka taminay izany raha nahita ny zava-misy eo anivon’ny magazain’ny Antenimieran’ny varotra ao Toamasina, izay eo am-panaovana ireo lavanty ireo entana tsy nisy naka hatramin’ny taona 2009 no ho mankaty amin’izao fotoana izao. Trano rava sy maloto tsy misy fikarakarana no mba magazay. Tsy vitan’izay fa maro amin’ireo entan’olona ambara fa tehirizina no misy “mibizina”, misy aza ny baoritra na gony na fonon’entana sisa hita fa “nanjavona” an-toerana ny tao anatiny.
Ny nahazedana dia ny fahitana seza misy kodiarana natokana ho an’ny manan-kilema, simba sy lo ary harafesina fotsiny an-toerana, tsy nisy namoaka. Raha ny fanazavana azo dia fanomezana avy any ivelany ireto fitaovana ireto, tsy nanana ny vola tokony ho namoahana azy koa ireo fikambanana notolorana izany, izay voalaza fa tsy nahazo fanenan-ketra tamin’ny fanjakana, hany ka simba fotsiny ireto fitaovana efa an-jatony maro ireto, izay raha ny fantatra dia mahatratra 1.300.000 ariary ny vidin’ny iray arakaraka ny hatsarany sy ny mpanamboatra azy. Ity tokoa angamba no tonga amin’ny fomba fiteny hoe : “aleo ho lo toy izay ho an-kavana !”.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.